Fiantraikany amin’ny alalan’ny anglisy sy employability
Alliance Anglophone dia mandrefy ny fiantraikany amin’ny alalan’ny fampifandraisana ny fianarana anglisy amin’ny fahatokisan-tena, fiomanana amin’ny asa, fahafahana ara-bola ary fidirana maharitra amin’ny tontolon’ny asa.
Ny lojikan’ny fiantraikanay
Tsy ny teny anglisy no tanjona farany. Ho an’ny Alliance Anglophone, ny teny anglisy dia fitaovana azo ampiasaina hanohanana ny employability, ny fahafahana mahazo vola, ny fahatokisan-tena matihanina ary ny fandrosoana maharitra amin’ny asa.
Ny modely ampiasainay dia natao hanampiana ny mpianatra hifindra avy amin’ny fahaiza-miteny mankany amin’ny vokatra tena hita amin’ny fiainana sy ny asa.
Ny rojo fiantraikany
Ny asanay dia manaraka lalana tsotra nefa mahery vaika ho amin’ny fiovana.
Fahaizana anglisy
Fitenenana, fihainoana, famakiana, fanoratana, voambolana ary communication professionnelle.
Fiomanana amin’ny asa
CV, entretien, fitondran-tena matihanina, soft skills ary fahatokisan-tena.
Fidirana amin’ny fahafahana
Fiomanana tsara kokoa amin’ny asa, fiofanana, stage, service na asa à distance.
Fandrosoana amin’ny carrière
Fahatokisan-tena matanjaka kokoa, fahafahana ara-bola, fitohizana amin’ny asa ary mobilité professionnelle.
Inona no tianay horefesina?
Ny fiantraikany dia tokony harahina sy horefesina, fa tsy lazaina fotsiny. Alliance Anglophone dia manomana rafitra tsotra ho an’ny suivi.
Fandraisana anjara
Isan’ny mpianatra misoratra anarana sy isan’ny mahavita ny programa.
Fandrosoana amin’ny fianarana
Fanatsarana ny niveau anglisy azo ampiasaina, fahatokisan-tena ary fahaizana mifandray.
Employability
CV voaomana, entretien natao pratique, candidature nalefa ary fahaiza-manao matihanina novolavolaina.
Fidirana amin’ny fahafahana
Fidirana amin’ny asa, fiofanana, stage, lalana carrière na fahafahana matihanina.
Fitohizana amin’ny lalana
Suivi ny mpianatra afaka miditra amin’ny asa na fiofanana, sy ny fitohizan’ny fandrosoany.
Fahafaham-po
Fahafaham-pon’ny mpandray anjara, fanamafisana fahatokisan-tena ary feedback avy amin’ny mpianatra na partenaire.
Fifantohana amin’ny fiantraikany sosialy
Matotra kokoa ny lanjan’ny Alliance Anglophone rehefa lasa tetezana mankany amin’ny fahafahana tsara kokoa ny fiofanana anglisy.
Ireo olona tianay hotohanana
- Tanora te hanamafy ny employability
- Mpitady asa mila anglisy hahazoana fahafahana tsara kokoa
- Mpiasa mila manatsara ny communication professionnelle
- Mpianatra miova lalana mila fahatokisan-tena sy rafitra mazava
- Organisation mila mampivelatra ny fahaizan’ny ekipany
Izay tianay hatsaraina
- Fifandraisana azo ampiasaina amin’ny teny anglisy
- Fiomanana amin’ny asa sy fahatokisan-tena matihanina
- Fidirana amin’ny asa na fiofanana
- Fahafahana ara-bola noho ny communication tsara kokoa
- Fahazarana mianatra maharitra sy mobilité professionnelle
Soatoavina ho an’ny partenaire
Ny modelinay momba ny fiantraikany dia afaka manampy orinasa, ONG, institution ary projet mila développement de compétences azo refesina.
Ho an’ny orinasa
Kandidà sy mpiasa vonona kokoa, manana communication tsara kokoa, fahatokisan-tena ary fahavononana amin’ny asa.
Ho an’ny ONG sy projet
Fiofanana afaka manohana ny employability, développement des jeunes, réinsertion ary communication professionnelle.
Ho an’ny institution
Modely azo ampiharina mampifandray fiofanana, vokatra, suivi ary infrastructure d’apprentissage maharitra.
Suivi sy tatitra
Alliance Anglophone dia manomana fomba tsotra hanaovana suivi-évaluation mba hanaraha-maso ny fianarana sy ny vokatra amin’ny employability.
Fitaovana kasaina ampiasaina
- Fiche d’inscription an’ny mpianatra
- Évaluation mialoha sy aorian’ny fiofanana
- Suivi ny fahavitan’ny programa
- Fanadihadiana aorian’ny fiofanana
- Feedback avy amin’ny employeur na partenaire raha misy
Tatitra azo omanina
- Résumé fin de formation
- Rapport de progression
- Synthèse feedback des participants
- Suivi ny fidirana amin’ny asa na fiofanana
- Note d’impact ho an’ny partenaire
Parcours employability ho an’ny fahafahana faharoa
Ao anatin’ny vinan’ny Alliance Anglophone momba ny fiantraikany sosialy, mikendry ny hanohana olona eo amin’ny dingana fiovana izahay, indrindra ireo mitady fiandohana vaovao amin’ny alalan’ny fianarana, discipline, mentoring ary fiomanana amin’ny asa.
Ireo olona azon’ity parcours ity tohanana
- Tanora manarina fahatokisan-tena sy lalana mazava
- Mpianatra eo amin’ny fiovana manokana na matihanina
- Olona mitady réinsertion amin’ny alalan’ny fahaiza-manao sy discipline
- Olona miomana amin’ny asa, fiofanana na fandraisana anjara tsara ao amin’ny fiarahamonina
Sehatra fanohanana kasaina
- Pratique communication amin’ny teny anglisy
- Fahatokisan-tena sy fitondran-tena matihanina
- Fanomanana CV sy entretien
- Mentoring sy fianarana arahina
- Lalana mankany amin’ny fiofanana, asa na réinsertion communautaire
Miara-miasa amin’ny sehatra fianarana mifantoka amin’ny fiantraikany
Alliance Anglophone dia manorina lalana azo ampiharina eo amin’ny fahaizana anglisy, employability, fahafahana ara-bola ary fandrosoana amin’ny carrière.